Fandalinana ny Soratra Masina

Beti-rafa

Malagasy
Beti-rafa
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 305

Beti-rafa

Beti-rafa

(Bèti-ràfa) [Tranon’i Rafa].

Hita ao amin’ny 1 Tantara 4:12 io anarana io, ary voalaza ao fa “niteraka an’i Beti-rafa” i Estona. Maro anefa ny mpivaofy teny mihevitra fa “trano” na toerana ny hoe Beti-rafa, satria midika hoe “Trano” ny hoe “Beti” na “Bet.” Hoy ny Fanazavana ny Testamenta Taloha nataon’i Keil sy Delitzsch (1973, Boky III, 1 Tantara, p. 88): “I Estona no razamben’ny tranon’i (fianakavian’i) Rafa, ary tsy misy fanazavana fanampiny ankoatra izay. Tsy misy ifandraisany amin’i Rafa taranak’i Benjamina mantsy izy ireo (8:2), no sady tsy misy ifandraisany amin’ireo zanak’i Rafa (20:4, 6, 8).”