Fandalinana ny Soratra Masina

Bebay

Malagasy
Bebay
/assets/ct/a63ae92c98/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 281

Bebay

Bebay

(Bebày).

1. Lohan’ny fianakaviambe izy, ary nisy 600 mahery ny taranany niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 11; Ne 7:16) Nisy taranany 29 hafa koa niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. (Ezr 8:11) Nanambady vehivavy hafa firenena ny efatra tamin’ireo tonga voalohany. Nandroaka an’ireny anefa izy ireo, noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:28, 44.

2. Lehilahy nitana andraikitra lehibe, na solontenan’ny taranak’i Bebay No. 1. Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay fianianana ny tsy hivadika amin’i Jehovah izy, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 15.