Fandalinana ny Soratra Masina

Basemata

Malagasy
Basemata
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 274

Basemata

Basemata

(Basemàta) [Manitra; Menaka Balsama; Misy Zava-manitra].

1. Vadin’i Esao. Zanakavavin’i Elona Hetita izy, ka mety ho izy ihany na rahavaviny ilay antsoina hoe Ada. ‘Nampangidy’ ny fiainan’i Isaka sy Rebeka i Basemata.​—Ge 26:34, 35; 27:46; 28:8; 36:2.

2. Mbola vadin’i Esao hafa koa. Mety ho izy ihany ilay atao hoe Mahalota, izay zanakavavin’i Ismaela zanak’i Abrahama, ary anabavin’i Nebaiota. Zanak’olo-mpiray tam-po àry izy sy Esao. Naka vady azy i Esao rehefa nahita fa tena tsy nahafaly an-drainy ireo vehivavy kananita nalainy vady. I Basemata no niteraka an’i Regoela zanakalahin’i Esao.​—Ge 28:8, 9; 36:3, 4, 10.

3. Zanakavavin’i Solomona, ary vadin’i Ahimaza lehibem-paritra mpamatsy sakafo an’i Solomona.​—1Mp 4:7, 15.