Fandalinana ny Soratra Masina

Baleta

Malagasy
Baleta
/assets/ct/b025754cdb/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 266

Baleta

Baleta

(Balèta) [Toeran’ny Tompovavy].

Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Dana taloha, ary lazain’ny Josoa 19:44, 45 fa teo anelanelan’i Gibetona sy Jehoda. Toa anisan’ny tanàna namboarin’i Solomona indray izy io. (2Ta 8:5, 6) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy. Lazain’i Josèphe fa any akaikin’ny tanàna voaro mafin’i Gazera i Baleta sy i Beti-horona.​—1Mp 9:17, 18; Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 152 [vi, 1].