Fandalinana ny Soratra Masina

Azrikama

Malagasy
Azrikama
/assets/ct/b025754cdb/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 238

Azrikama

Azrikama

(Azrikàma) [Ny Fanampiana Ahy dia Nitsangana].

1. Iray tamin’izy enina mirahalahy zanak’i Azela. Taranak’i Saoly Mpanjaka avy tamin’i Jonatana i Azrikama, ary avy amin’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 8:33-38; 9:44.

2. ‘Mpiandraikitra ny ankohonan’i Ahaza’ mpanjaka ratsy fanahy tao Joda. Maty novonoin’ilay Efraimita atao hoe Zikry i Azrikama, rehefa niady tamin’ny fanjakan’ny Joda i Peka mpanjakan’ny Israely.​—2Ta 28:6, 7.

3. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary. Anisan’ny taranak’i Azrikama i Semaia, izay nonina tao Jerosalema rehefa niverina avy tany an-tsesitany.​—1Ta 9:2, 14; Ne 11:15.

4. Zanakalahin’i Nearia, ary ny anarany no voatonona fahatelo. Taranak’i Davida i Azrikama.​—1Ta 3:1, 23.