Fandalinana ny Soratra Masina

Amihoda

Malagasy
Amihoda
/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 89

Amihoda

Amihoda

(Amihòda) [Ny Vahoakako dia Voninahitra].

1. Efraimita ary rain’i Elisama, izay mpiadidy teo amin’ny fokon’i Efraima, tamin’ny taona faharoa taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta (1512 T.K.). (No 1:10; 2:18) Razamben’i Josoa i Amihoda.​—1Ta 7:26, 27.

2. Simeonita ary rain’i Semoela, izay mpiadidy teo amin’ny fokon’i Simeona. Anisan’ny voatendry hizara ny tany Kanana tamin’ireo fokon’ny Israely i Semoela (t. 1467 T.K.).​—No 34:20.

3. Rain’i Pedahela izay mpiadidy teo amin’ny fokon’i Naftaly. Anisan’ny voatendry hizara ny tany Kanana tamin’ireo fokon’ny Israely i Pedahela, taloha kelin’ny nahafatesan’i Mosesy.​—No 34:28.

4. Rain’i Talmay mpanjakan’i Gesora, ary raiben’i Maka renin’i Absaloma zanak’i Davida. Nandositra tany Gesora i Absaloma rehefa avy namono an’i Amnona, rahalahiny hafa reny.​—2Sa 3:3; 13:37.

5. Zanakalahin’i Omry ary taranak’i Pereza, zanak’i Joda. I Amihoda no rain’i Otahy, izay anisan’ireo mponina voalohany tafaverina tao Jerosalema taorian’ny sesitany tany Babylona.​—1Ta 9:2, 4.