Fandalinana ny Soratra Masina

Alefa

Malagasy
Alefa
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 71

Alefa

Alefa

[א] (Alef).

Litera voalohany amin’ny abidy hebreo, ary mitovy anarana amin’ny teny hebreo nadika hoe “omby, ombivavy.”​—Ampit. Sl 8:7; De 7:13.

Tsy renisoratra ny hoe ʼalef (heb.) fa zanatsoratra, ary tsy misy teny malagasy mifanitsy aminy fa faingo mihantona (ʼ) no nandikana azy. Io no malefaka indrindra amin’ny feo tononina any amin’ny fara tenda, ary mitovitovy amin’ny fanononana ny “h” (tsy tononina) amin’ny hoe “holatra” na “o” amin’ny hoe “kaopy.”

Manomboka amin’ny hoe ʼalef ny andininy valo voalohany ao amin’ny Salamo faha-119 amin’ny teny hebreo.