Fandalinana ny Soratra Masina

Aksafa

Malagasy
Aksafa
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 69

Aksafa

Aksafa

(Aksàfa) [Toerana Filalaovana Ody].

Tanànan’ny mpanjaka tao Kanana. Nantsoin’i Jabina mpanjakan’i Hazora ilay mpanjakan’i Aksafa, ka niaraka tamin’ireo mpanjaka nitoby teo amoron’ny ranon’i Meroma mba hiady tamin’ny Israely. (Js 11:1, 5) Maty tamin’ilay ady anefa ny mpanjakan’i Aksafa. (Js 12:7, 20) Lasa anisan’ny anjara lovan’ny fokon’i Asera ny tanànan’i Aksafa, tatỳ aoriana.​—Js 19:25.

Misy manam-pahaizana milaza an’i Aksafa ho i Tell Kisan (Tel Kison), tokotokony ho 10 km any atsimoatsinanan’i Ako (Akra). Maro kokoa anefa no mihevitra azy io ho i Kirbet el-Harbaja (Tel Regev), tokotokony ho 11 km any atsimoatsinanan’i Haïfa.