Salamo 82:1-8

  • Fitakiana fitsarana ara-drariny

    • Mitsara eo amin’ireo “andriamanitra” i Jehovah (1)

    • “Arovy ny madinika” (3)

    • “Andriamanitra ianareo” (6)

Hiran’i Asafa.+ 82  Maka ny toerany Andriamanitra eo amin’ny fivorian’ireo andriamanitra;*+Eo afovoan’ireo andriamanitra* Izy no mitsara,+ ka milaza hoe:   “Mandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara,+Na hiangatra amin’ny ratsy fanahy?+ (Sela)   Arovy* ny madinika sy ny kamboty ray.+ Omeo rariny ny olona tsy misy mpiaro sy ny tsy manana na inona na inona.+   Afaho ny madinika sy ny mahantra,Ka vonjeo eo an-tanan’ny ratsy fanahy.”   Sady tsy mahalala izy ireo* no tsy mahatakatra na inona na inona;+Mitsapatsapa ao anaty haizina izy ireo;Voahozongozona daholo ny fototry ny tany.+   “Niteny aho hoe ‘andriamanitra*+ ianareo,Zanak’ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.   Ho faty toy ny olon-drehetra ihany+ anefa ianareo,Ary ho lavo toy ny andriana hafa rehetra!’”+   Mitsangàna, Andriamanitra ô, ka tsarao ny tany,+Fa anao ny firenena rehetra.

Fanamarihana

Na: “fivoriana tarihin’Andriamanitra.”
Na: “mitovy amin’Andriamanitra.”
Na: “Tsarao.”
Izany hoe “ireo andriamanitra” eo amin’ny and. 1.
Na: “mitovy amin’Andriamanitra.”