Salamo 64:1-10

  • Fiarovana amin’izay manafika an-tsokosoko

    • ‘Hotifirin’Andriamanitra ireny’ (7)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 64  Henoy ny fitalahoako, Andriamanitra ô!+ Arovy amin’ny fanafihana mampahatahotra ataon’ny fahavalo ny aiko.  2  Arovy amin’ny tetika mangingina ataon’ny ratsy fanahy aho,+Sy amin’ny andiana mpanao ratsy.  3  Mandranitra ny lelany ho toy ny sabatra ireny;Mikendry amin’ny zana-tsipìkany, dia ny teny mandratra ataony, ireny  4  Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin’ny toeram-piafenany;Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.  5  Mikiry hanatanteraka ny teti-dratsiny* ireny,Ary mifampiresaka hoe ahoana no hanafenana ny fandrika ampiasainy. Hoy izy ireny: “Iza koa no hahita an’ireo?”+  6  Mitady hevitra vaovao hanaovan-dratsy izy ireny,Ary mikononkonona tetika maty paika;+Tsy fantatra mihitsy ny eritreritra ao am-pon’ny tsirairay aminy.  7  Hotifirin’Andriamanitra anefa ireny;+Handratra azy ireny tampoka ny zana-tsipìka.  8  Izy ihany no ho voan’ny tetika ataony;*+Hihivingivin-doha izay rehetra mahita azy.  9  Dia hatahotra daholo ny olona,Ka hanambara an’izay nataon’Andriamanitra,Ary hahafantatra tsara ny asany.+ 10  Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy;+Hiravoravo* daholo ny mahitsy fo.

Fanamarihana

^ Na: “Mifampitaona hanao ratsy.”
^ Abt: “lelany.”
^ Na: “Hirehareha.”