Salamo 63:1-11
Hiran’i Davida tamin’izy tany an-tany efitr’i Joda.+
63 Andriamanitra ô, ianao no Andriamanitro, ary mitady anao foana aho.+
Mangetaheta mafy anao aho.+
Tsy misy hery intsony aho* satria maniry mafy anaoEto amin’ity tany maina sy karakaina tsy misy rano ity.+
2 Dia nijery anao tao amin’ny toerana masina aho;Hitako ny herinao sy ny voninahitrao.+
3 Tsara noho ny aina ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,+Ka hanome voninahitra anao ny molotro.+
4 Koa hidera anao aho mandritra ny androm-piainako;Amin’ny anaranao no hivavahako.*
5 Afa-po aho amin’ny anjara tsara indrindra sy faran’izay tsara omenao,*Ka hidera anao ny vavako ary ho faly hihira ho anao ny molotro.+
6 Mahatsiaro anao aho rehefa eo am-pandrianako;Misaintsaina momba anao aho mandritra ny fotoam-piambenana amin’ny alina.+
7 Fa ianao no mpanampy ahy,+Ary mihoby eo ambany aloky ny elatrao aho.+
8 Mifikitra aminao aho;Mitazona mafy ahy foana ny tananao ankavanana.+
9 Fa izay mifofo ny aiko* kosaHidina any amin’ny faritra lalina amin’ny tany.
10 Hatolotra ho fatin’ny sabatra izy ireny,Ary ho sakafon’ny alikadia.*
11 Hifaly noho izay hataon’Andriamanitra anefa ny mpanjaka.
Hiravoravo* izay rehetra mianiana amin’ny anaran’Andriamanitra,Satria ho tampina ny vavan’izay mandainga.
Fanamarihana
^ Abt: “ny nofoko.”
^ Abt: “hanandratako ny tanako.”
^ Abt: “amin’ny matavy sy ny hatavezana.”
^ Na: “mitady hamono ahy.”
^ Na: “amboadia.”
^ Na: “Hirehareha.”