Salamo 61:1-8
-
Tilikambo mafy miaro amin’ny fahavalo i Jehovah
-
‘Hivahiny ao an-tranolainao aho’ (4)
-
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Nataon’i Davida.
61 Henoy ny antso vonjy ataoko, Andriamanitra ô!
Mba henoy ny vavaka ataoko.+
2 Avy any amin’ny faran’ny tany aho no hitaraina aminao,Rehefa kivy* ny foko.+
Mba ento eny ambony vatolampy avo kokoa noho izaho re aho e!+
3 Fa ianao no fialofako,Tilikambo mafy miaro ahy amin’ny fahavaloko.+
4 Hivahiny ao an-tranolainao mandrakizay aho;+Hialoka eo ambany elatrao aho.+ (Sela)
5 Fa efa naheno ny voady nataoko ianao, Andriamanitra ô!
Efa nomenao ahy ilay lova natokanao ho an’ireo matahotra ny anaranao.+
6 Hampianao ny andro hiainan’ny mpanjaka,+Ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny taona hiainany.
7 Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana* eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy;+Anehoy fitiavana sy tsy fivadihana izy* mba hiaro azy izany.+
8 Dia hihira fiderana* ho an’ny anaranao mandrakizay aho,+Sady hanefa isan’andro an’ireo voady nataoko.+
Fanamarihana
^ Na: “reraka.”
^ Na: “Hitoetra.”
^ Na: “Tendreo ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.”
^ Na: “hitendry mozika.”