Salamo 47:1-9

  • Jehovah, ilay Mpanjaka manerana ny tany

    • “Mendrika hatahorana i Jehovah” (2)

    • Manaova hira fiderana ho an’Andriamanitra (6, 7)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+ 47  Mitehafa ianareo, ry firenena rehetra. Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra sady mihobia.   Fa mendrika hatahorana i Jehovah, ilay Avo Indrindra;+Izy ilay Mpanjaka lehibe manerana ny tany manontolo.+   Ataony manaiky antsika ny vahoaka;Ataony ao ambany tongotsika ireo firenena.+   Mifidy lova ho antsika izy,+Dia ilay lova reharehan’i Jakoba, izay olona tiany.+ (Sela)   Miakatra any amin’ny toerany Andriamanitra raha mbola mihorakoraka sy faly ny olona;Miakatra any amin’ny toerany i Jehovah ary arahina feon’anjombona* izany.   Manaova hira fiderana* ho an’Andriamanitra. Manaova hira fiderana. Manaova hira fiderana ho an’ny Mpanjakantsika. Manaova hira fiderana.   Fa Mpanjakan’ny tany manontolo Andriamanitra;+Manaova hira fiderana, ary aoka ho hita hoe olona misaina ianareo.   Lasa Mpanjaka eo amin’ireo firenena Andriamanitra.+ Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.   Mivondrona ny mpitarika vahoaka,Miaraka amin’ny vahoakan’ilay Andriamanitr’i Abrahama. Fa an’Andriamanitra ireo mpitondra ny tany.* Misandratra avo dia avo Izy.+

Fanamarihana

Na: “feona tandrok’ondry; feona trompetra.”
Na: “Mitendre mozika.”
Abt: “ampingan’ny tany.”