Salamo 43:1-5

  • Manafaka i Jehovah, ilay Mpitsara

    • “Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao” (3)

    • “Nahoana re aho no dia mamoy fo e?” (5)

    • “Hiandry an’Andriamanitra aho” (5)

43  Tsarao aho, Andriamanitra ô!+Arovy aho amin’ilay adiko eny amin’ny fitsarana,+ izay ifanaovako amin’ny firenena mpivadika. Afaho amin’ny olona mpamitaka sy manao ny tsy marina aho.  2  Fa ianao no Andriamanitro, fiarovana mafy ho ahy.+ Nahoana ianao no manary ahy? Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin’alahelo noho izaho ampijalin’ny fahavalo?+  3  Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao.+ Hitarika ahy anie ireny;+Enga anie ireny hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra!+  4  Dia hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra+ aho,Dia any amin’Andriamanitra, ilay manome fifaliana be ho ahy. Ary hidera anao amin’ny harpa+ aho Andriamanitra ô, eny, ry Andriamanitro.  5  Nahoana re aho no dia mamoy fo e? Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro.+

Fanamarihana