Salamo 140:1-13

  • Mpamonjy tena mahery i Jehovah

    • Toy ny bibilava ny olon-dratsy (3)

    • Ho ratsy fiafara ny olona mahery setra (11)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 140  Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!Arovy amin’ny olona mahery setra aho,+   Dia amin’ireo mamorona teti-dratsy ao am-pony+Sy mila ady foana.   Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny bibilava ny lelany;+Misy poizin’ny bibilava ao am-bavany.*+ (Sela)   Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,+ Jehovah ô!Arovy amin’ny olona mahery setra aho,Dia amin’ireo mitetika ny hamingana ahy.   Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manambony tena;Mampiasa tady izy ireo mba hamelarana harato eny amoron-dalana.+ Mamelatra fandrika hahazoana ahy izy ireo.+ (Sela)   Miteny amin’i Jehovah aho hoe: “Ianao no Andriamanitro. Henoy ny fitalahoako fanampiana, Jehovah ô!”+   Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ilay Mpamonjy ahy tena mahery,Miaro ny lohako ianao rehefa raikitra ny ady.+   Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô! Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hisandratra izy ireo.+ (Sela)   Enga anie hitsingerina eo an-dohan’ireo manodidina ahyNy zava-dratsy nolazain’ny molony!+ 10  Hisy vainafo hiraraka anie eo an-dohan’izy ireo!+ Enga anie izy ireo hatsipy ao anaty afo,Ao anaty lavaka lalina,*+ ka tsy ho tafakatra intsony mihitsy! 11  Tsy hahita toerana hipetrahana eto an-tany* anie ny mpanendrikendrika!+ Henjehin’ny faharatsiana anie ny olona mahery setra, dia hasiany! 12  Fantatro fa harovan’i Jehovah ny madinika,Ary homeny rariny ny mahantra.+ 13  Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina;Honina eo anatrehanao+ ny olona manao izay mahitsy.

Fanamarihana

Abt: “ao ambadiky ny molony.”
Na: “lavaka misy rano.”
Na: “ao amin’ilay tany.”