Salamo 131:1-3
-
Afa-po toy ny zaza efa nisara-nono
-
Tsy mikatsaka zavatra ambony loatra (1)
-
Hira Fiakarana. Nataon’i Davida.
131 Jehovah ô, tsy mirehareha ny foko,Ary tsy mianjonanjona ny masoko.+Tsy mikatsaka zavatra ambony loatra+ aho,Na zavatra tsy ho vitako mihitsy.
2 Efa nampitony sy nampionona ny foko* kosa aho,+Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny;Afa-po toy ny zaza efa nisara-nono aho.
3 Aoka hiandry an’i Jehovah ny Israely,+Manomboka izao ka ho mandrakizay.
Fanamarihana
^ Na: “ny tenako.”