Salamo 128:1-6
Hira Fiakarana.
128 Sambatra izay matahotra an’i Jehovah+Sy mandeha amin’ny lalany.+
2 Hihinana an’izay nisasaran’ny tananao ianao.
Ho sambatra ianao sady hiadana.+
3 Ho toy ny voaloboka mahavokatra ao an-tranonao ny vadinao;+Ho toy ny tsimok’oliva manodidina ny latabatrao ny zanakao.
4 Toy izany no hitahianaNy lehilahy matahotra an’i Jehovah.+
5 Hitahy anao avy ao Ziona i Jehovah.
Enga anie ka ho hitanao hoe mandroso be i Jerosalema, mandritra ny androm-piainanao,+
6 Ary ho hitanao ny zafikelinao!
Enga anie ka hiadana ny Israely!

