Joba 18:1-21

  • Ny teny faharoa nataon’i Bildada (1-21)

    • Nilaza an’izay hanjo ny mpanota (5-20)

    • Tsy mahalala an’Andriamanitra, hono, i Joba (21)

18  Dia namaly i Bildada+ Sohita hoe:   “Rahoviana ianareo* vao tsy hiteny zavatra hoatr’izany intsony? Mba mahaiza aloha mandinika vao miresaka isika.   Nahoana izahay no heverinareo ho toy ny biby,+Sy eritreretinareo hoe tsisy saina?*   Na dia mamiravira ny tenanao aza ianao satria tezitra,Dia tsy hisy mponina ve ny tany noho ny aminao,Na hiala amin’ny toerany ve ny vatolampy?   Ho faty tokoa ny jiron’ny ratsy fanahy,Ary tsy hazava ny lelafony.+   Tena hihamaizina ny hazavana ao amin’ny tranolainy,Ary ho faty ny jiro eo amboniny.   Mihafohy ny dingan-dava ataony,Ary ny heviny ihany no hahasolafaka azy.+   Fa hitarika azy ho ao anaty harato ny tongony,Ary ho voasaringotr’ireo makarakara amin’ilay harato izy.   Hosamborin’ny fandrika ny voditongony;Ho azon’ny vela-pandrika izy.+ 10  Misy tady afenina eo amin’ny tany mba hamatotra azy,Ary misy fandrika mivelatra eo amin’ny lalany. 11  Manodidina azy ny horohoro ka mampitahotra azy.+Enjehin’izany izy sady arahiny akaiky. 12  Mihena ny heriny,Ka hampivembena* azy ny loza.+ 13  Mihalò ny hodiny;Lanin’ny aretina tena faran’izay mahafaty* ny rantsambatany. 14  Nilamina erỳ izy tao amin’ny tranolainy nefa esorina ao,+Ary entina mankany amin’ny mpanjakan’ny horohoro.* 15  Vahiny* no hipetraka ao amin’ny tranolainy;Hofafazana solifara ny fonenany.+ 16  Ho maina ny fakany ao ambaniny,Ary halazo ny sampany eny amboniny. 17  Tsy hotsaroana etỳ an-tany intsony ny momba azy,Ary tsy hisy hahalala ny anarany intsony* eny an-dalana. 18  Hesorina hiala amin’ny mazava izy mba ho any amin’ny maizina,Ary horoahina hiala eo amin’ny tany lonaka. 19  Tsy hanan-janaka na taranaka eo amin’ny fireneny izy,Ary tsy hisy olona hiangana any amin’ny toerana ipetrahany.* 20  Rehefa tonga ny androny, dia hivarahontsana ny any Andrefana,Ary hihorohoro ny any Atsinanana. 21  Izany no mitranga amin’ny tranolain’ny mpanao ratsy,Sy amin’ny toerana misy an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra.”

Fanamarihana

Mety hoe i Joba sy ny olona hoatr’azy na ireo mangoraka azy.
Na mety hoe “maloto?”
Na: “hampikotringa.”
Abt: “lahimatoan’ny fahafatesana.”
Izany hoe hovonoina amin’ny fomba mahatsiravina izy.
Abt: “Zavatra tsy azy.”
Abt: “tsy hanana anarana intsony izy.”
Na: “toerana ivahiniany.”