Hosea 4:1-19

  • Miady amin’ny Israely any amin’ny fitsarana i Jehovah (1-8)

    • Tsy misy mahalala an’Andriamanitra ao amin’ilay tany (1)

  • Manompo sampy sy mijangajanga ny Israely (9-19)

    • Te hijangajanga izy ireo ka manao zava-dratsy (12)

4  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry vahoakan’Israely,Fa miady amin’ny mponin’ity tany ity any amin’ny fitsarana i Jehovah,+Satria tsy misy manao ny marina eto, na maneho fitiavana sy tsy mivadika, na mahalala an’Andriamanitra.+   Be dia be no mianiana lainga, mandainga,+ mamono olona,+Mangalatra ary manitsakitsa-bady.+Misesisesy koa ny fandatsahan-dra.+   Hisaona àry ny tany,+Ary ho reraka tsikelikely ny olona ao ka efa ho faty daholo.Dia ho faty ny bibidia sy ny voro-manidina,Ary na ny trondro any an-dranomasina koa aza.   “Tsy tokony hisy hiady aminao na hananatra+ anao anefa,Fa hoatran’ny olona miady amin’ny mpisorona+ ny firenenao.   Ho tafintohina amin’ny antoandro be, toy ny rehefa amin’ny alina, ianao.Dia ho tafintohina miaraka aminao koa ny mpaminany, Ary hovonoiko* ny reninao.   Ho ringana* ny vahoakako satria tsy mahalala ahy. Tsy mety mianatra momba ahy ianao,+Ka tsy hekeko ho mpisorona intsony.Manadino ny lalàn’ilay Andriamanitrao* ianao,+Dia hohadinoiko koa ny zanakao.   Nihabetsaka ny mpisorona nefa vao mainka ny olona nanota.+ Dia hataoko afa-baraka ny mpisorona fa tsy homeko voninahitra.*   Lasa matavy izy ireo rehefa manota ny vahoakako,Ary tena tiany hanota foana aza izy ireny.   Mitovy ihany ny vahoaka sy ny mpisorona,Ka samy hofaiziko izy ireo noho izay ataony.Ary hataoko mivaly aminy ny ratsy nataony.+ 10  Hihinana izy ireo nefa tsy ho voky,+ Ary hanao firaisana amin’olona be dia be* izy ireo nefa tsy hihamaro.+Tsy miraharaha an’i Jehovah mantsy izy ireo. 11  Ny fijangajangana* sy ny divay efa niotrika ela ary ny divay vaovaoNo mahatonga ny olona tsy te hanao ny tsara.*+ 12  Any amin’ny hazo ataony sampy ny vahoakako no mangataka hevitra,Ka izay lazain’ny tehiny* no ataony.Te hijangajanga* mantsy izy ireo ka manao zava-dratsy.Mijangajanga* izy ireo ka tsy mety manaiky an’Andriamanitra. 13  Eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo no manao sorona,+Ary eny amin’ny havoana no ataony midona-tsetroka ny sorona ataony,Eo ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe rehetra,+Satria malomaloka tsara eny. Izany no mahatonga ny zanakareo vavy hijangajanga,*Sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady. 14  Tsy hofaiziko anefa ny zanakareo vavy na dia mijangajanga* aza,Ary tsy hofaiziko ny vinantovavinareo na dia manitsakitsa-bady aza. Ny lehilahy mantsy no lasa manaraka mpivaro-tena,Sy manao sorona miaraka amin’ny mpivaro-tenan’ny tempoly.Ho ringana ny olona tsy misaina+ hoatr’izany. 15  Na mijangajanga* aza ianao, ry Israely ô,+Dia enga anie i Joda mba tsy hanao hoatr’anao!+ Aza mankany Gilgala+ na Beti-avena,+Ary aza mianiana hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’+ 16  Fa lasa maditra hoatran’ny ombivavy maditra ny Israely.+ Koa i Jehovah ve dia mbola hiandry azy eny amin’ny tany be vilona,* toy ny ataon’ny mpiandry zanak’ondry? 17  Lasa mpanompo sampy i Efraima,+ Ka avelao izy ho any! 18  Rehefa laniny ny labierany,*Dia lasa mijangajanga* izy. Tena tia manao zavatra mahamenatra ny mpitondra* eo aminy.+ 19  Ho lasan’ny rivotra izy,Dia ho menatra noho ny sorona nataony.”

Fanamarihana

Na: “hataoko tsy mahateny.”
Na: “toromarik’ilay Andriamanitrao.”
Na: “Hataoko tsy mahateny.”
Na mety hoe “Natakalon’ny mpisorona fahafaham-baraka ny voninahitro.”
Na: “Ary hivaro-tena.”
Abt: “No maka ny fon’ny olona.”
Na: “fivarotan-tena.”
Na: “tehin’ny mpisikidy.”
Na: “hivaro-tena.”
Na: “Mivaro-tena.”
Na: “hivaro-tena.”
Na: “mivaro-tena.”
Na: “mivaro-tena.”
Abt: “tany malalaka.”
Na: “labierany vita amin’ny varimbazaha.”
Na: “mivaro-tena.”
Abt: “ampinga.”