Apokalypsy 15:1-8

  • Anjely fito nanana loza fito (1-8)

    • Ny hiran’i Mosesy sy ny hiran’ny Zanak’ondry (3, 4)

15  Ary nahita famantarana hafa lehibe sady mahagaga tany an-danitra aho: Anjely fito+ nanana loza fito. Ireo no loza farany, satria hampiharina hatramin’ny farany amin’ny alalan’ireo loza ireo ny fahatezeran’Andriamanitra.+  Dia nahita zavatra hoatran’ny ranomasina fitaratra+ mifangaro afo aho. Izay naharesy+ an’ilay bibidia sy ny sariny+ ary ny isa manondro ny anarany,+ dia nijoro teo akaikin’ilay ranomasina fitaratra, sady nitazona ny harpan’Andriamanitra.  Nihira ny hiran’i Mosesy+ mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry+ izy ireo, hoe: “Lehibe sady mahagaga ny asanao,+ Jehovah* Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra.+ Ara-drariny sy azo atokisana ny zavatra ataonao,+ ry Mpanjakan’ny mandrakizay.+  Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah* ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao? Ianao irery ihany mantsy no tsy mivadika!+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”  Taorian’izany, dia hitako fa nosokafana tany an-danitra+ ny toerana masin’ny tranolain’ny vavolombelona.+  Ary nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito nanana ny loza fito.+ Nanao akanjo rongony madio sy mamirapiratra izy ireo, sady nanao fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.  Nanome vilia an’ireo anjely fito ny iray tamin’ny zavamananaina efatra, dia vilia volamena fito feno ny fahatezeran’ilay Andriamanitra+ velona mandrakizay mandrakizay.  Dia lasa feno setroka ilay toerana masina noho ny voninahitr’Andriamanitra+ sy ny heriny, ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ilay toerana masina, mandra-pahatapitry ny loza fito+ nentin’ireo anjely fito ireo.

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.