Tononkiran’i Solomona 1:1-17

  • Tononkira tsara indrindra (1)

  • Ankizivavy (2-7)

  • Zanakavavin’i Jerosalema (8)

  • Mpanjaka (9-11)

    • “Hanamboaranay firavaka volamena ianao” (11)

  • Ankizivavy (12-14)

    • ‘Toy ny miora manitra ilay mamin’ny foko’ (13)

  • Mpiandry ondry (15)

    • “Tsara tarehy ianao, ry malalako”

  • Ankizivavy (16, 17)

    • “Tsara tarehy ianao, ry malalako” (16)

1  Ny tononkira tsara indrindra* nataon’i Solomona:+  2  “Enga anie izy hanoroka ahy amin’ny molony,Fa tsara noho ny divay ny fomba anehoanao fitiavana!+  3  Manitra erỳ ny menakao!+ Sahala amin’ny menaka manitra araraka ny anaranao,+ Dia izany no itiavan’ny ankizivavy anao.  4  Ento* manaraka anao aho, dia andao isika hitsoaka, Fa nentin’ny mpanjaka tao amin’ny efitranony anatiny aho! Andao isika hiaraka hifalifaly sy hiravoravo. Andao horesahintsika* ny fomba anehoanao fitiavana, fa tsara noho ny divay ireny. Tsy mahagaga raha tian’ny ankizivavy ianao.  5  Mainty* aho nefa mahafatifaty, ry zanakavavin’i Jerosalema ô,Hoatran’ny tranolain’i Kedara,+ hoatran’ny lamba nanaovana+ ny tranolain’i Solomona.  6  Aza jerijerena aho satria hoe mivalomainty,Fa main’ny masoandro aho. Tezitra tamiko ny zanakalahin’i Neny,Ka nasainy niambina tanimboaloboka aho,Nefa ny tanimboaloboko aza tsy mba nambenako.  7  Mba lazao ahy, ry ilay tena tiako,Hoe aiza ny toerana iandrasanao ondry,+Sy ny toerana ampatorinao ny andian’ondry, amin’ny mitataovovonana. Fa maninona aho no handehandeha eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny,Hoatran’ny vehivavy manarona ny tarehiny amin’ny voaly?”*  8  “Raha tsy fantatrao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô,Dia mandehana manaraka ny dian’ondry,Ka andraso eo akaikin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.”  9  “Mitovy amin’ny soavalivavy* mitarika ny kalesin’i Farao ianao, ry malalako.+ 10  Mahafatifaty erỳ ny takolakao misy firavaka,*Ary tsara tarehy erỳ izato vozonao misy vakana! 11  Hanamboaranay firavaka volamena* ianao,Firavaka nasiana haingony volafotsy.” 12  “Raha iny mbola mipetraka eo amin’ny latabany boribory iny ny mpanjaka,Dia mamerovero erỳ ny ranomanitro!*+ 13  Amiko ilay mamin’ny foko dia toy ny miora manitra eran’ny kitapo kely+Eo anelanelan’ny nonoko mandritra ny alina. 14  Amiko ilay mamin’ny foko dia sahala amin’ny vonin’ny moina+Eo amin’ny tanimboalobok’i En-jedy.”+ 15  “Tena tsara tarehy ianao, ry malalako. Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao.”+ 16  “Tena tsara tarehy ianao, ry ilay mamin’ny foko, sady mahafinaritra.+ Ravinkazo no fandrianantsika. 17  Hazo sedera no nanaovana ny tranontsika,*Ary hazo zenevrie no nanaovana ny tafontranontsika.

Fanamarihana

Abt: “Ny tononkiran’ny tononkira.”
Abt: “Tariho.”
Na: “hoderaintsika.”
Na: “Maintin’ny masoandro.”
Na: “voaly fisaonana.”
Na: “soavalivaviko.”
Na mety hoe “amin’izao volonao mirandrana izao.”
Na: “firavaka volamena boribory.”
Na: “ny narda anaovako.”
Na: “tranontsika tsara tarehy.”