Samoela Voalohany 11:1-15
11 Ary niakatra i Nahasy Amonita+ ka nitoby mba hiady amin’i Jabesy+ any Gileada. Dia hoy ny olona rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: “Manaova fifanekena* aminay, dia hanompo anao izahay.”
2 Ary hoy i Nahasy Amonita tamin’izy ireo: “Hanao fifanekena aminareo aho raha potsirina daholo ny masonareo ankavanana, mba hanalako baraka ny Israely rehetra.”
3 Dia namaly azy ny anti-panahy tao Jabesy hoe: “Omeo fito andro aloha izahay, mba hahafahanay haniraka olona ho any amin’ny faritra rehetra any Israely. Koa raha tsy misy mamonjy izahay, dia hitolo-batana any aminao.”
4 Ary tonga tao Gibea+ tanànan’i Saoly* ireo iraka, ka nilaza an’ireo teny ireo tamin’ny olona. Dia nidradradradra nitomany ny olona rehetra.
5 Tonga avy any an-tsaha anefa i Saoly tamin’izay, sady nandroaka omby. Ary hoy izy: “Fa misy inona? Maninona ny olona no mitomany?” Dia nolazain’izy ireo taminy ny tenin’ny olona tao Jabesy.
6 Rehefa henon’i Saoly izany teny izany, dia nanome hery azy ny fanahin’Andriamanitra,+ ka tezitra be izy.
7 Dia naka omby roa izy ka norasarasainy, ary naniraka olona hitondra an’izany tany amin’ny faritra rehetra tany Israely izy. Ary izao no nasainy nolazain’izy ireo: “Na iza na iza tsy manaraka an’i Saoly sy Samoela, dia hatao hoatr’izao ny ombiny!” Dia natahotra an’i Jehovah ny olona, ka nivoaka hiady sady tena niray hina.*
8 Dia nisain’i Saoly tao Bezeka izy ireo, ka 300 000 ny Israelita ary 30 000 ny avy amin’ny fokon’i Joda.
9 Ary hoy izy ireo tamin’ny olona nirahina avy any Jabesy: “Izao no holazainareo amin’ny olona ao Jabesy any Gileada: ‘Hovonjena ianareo rahampitso, amin’ny mitataovovonana.’”* Dia tonga nilaza izany tamin’ireo olona tao Jabesy ireo iraka, ka faly be izy ireo.
10 Hoy àry ny olona tao Jabesy tamin’ny Amonita: “Hitolo-batana any aminareo izahay rahampitso, ka ataovy aminay izay hitanareo fa mety.”+
11 Nozarain’i Saoly ho andiany telo ny olona ny ampitso. Dia tafiditra tao an-toby izy ireo tamin’ny fiambenana maraina,* ka namely an’ireo Amonita+ mandra-pahafanan’ny andro. Ary niparitaka izay sisa tsy maty tamin’ny Amonita ka tsy nisy tafaraka na dia olona roa aza.
12 Dia hoy ny olona tamin’i Samoela: “Iza avy ilay niteny hoe: ‘I Saoly ve no hanjaka aminay?’+ Ento atỳ ireny olona ireny hovonoinay ho faty.”
13 Hoy anefa i Saoly: “Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty anio,+ satria namonjy ny Israely i Jehovah androany.”
14 Taorian’izay, dia hoy i Samoela tamin’ny olona: “Andao isika ho any Gilgala+ mba hanamafy orina ny fanjakana.”+
15 Nankany Gilgala àry ny olona rehetra, ka tany i Saoly no nataon’izy ireo mpanjaka teo anatrehan’i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan’i Jehovah+ izy ireo tany, ary nanao fety i Saoly sy ny Israelita rehetra ka faly be mihitsy.+
Fanamarihana
^ Na: “fifanarahana.”
^ Abt: “Gibean’i Saoly.”
^ Abt: “nivoaka toy ny olona iray.”
^ Abt: “rehefa mahamay be ny masoandro.”
^ Izany hoe amin’ny 2 maraina eo ho eo ka hatramin’ny 6 maraina.