Salamo 86:1-17
Vavak’i Davida.
86 Aoka ianao hanongilan-tsofina, Jehovah ô! Valio aho+Fa ory sy mahantra.+
2 Arovy aho satria tsy mivadika aminao.+Andriamanitro ianao, ka mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao.+
3 Iantrao aho, Jehovah ô,+Fa ianao no antsoiko mandrakariva.+
4 Ampifalio ity mpanomponao,+Fa foiko ho anao ny tenako, Jehovah ô!+
5 Tsara toetra+ sy vonona hamela heloka+ ianao, Jehovah ô,Sady tena tsara fanahy sy be fitiavana amin’izay rehetra miantso anao.+
6 Aoka ianao hanongilan-tsofina, Jehovah ô, rehefa mivavaka aho,+Ary henoy ny fitalahoako!+
7 Hiantso anao aho amin’ny andro fahoriako,+Satria hamaly ahy ianao.+
8 Tsy misy andriamanitra toa anao, Jehovah ô!+Ary tsy misy mahavita asa sahala amin’izay vitanao.+
9 Ho avy ny firenena rehetra nataonao,+Ka hiankohoka eo anatrehanao, Jehovah ô,+Sy hankalaza ny anaranao!+
10 Fa lehibe ianao ary manao zava-mahagaga,+Ianao irery no Andriamanitra.+
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô!+Handeha amin’ny fahamarinanao aho.+Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.+
12 Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô!+Homeko voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao,
13 Satria tena tsara fanahy sy be fitiavana amiko ianao,+Ary novonjenao tsy hidina any amin’ny Fasana* lalina indrindra aho.*+
14 Andriamanitra ô, nitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy,+Ary nifofo ny aiko ny andian’olona lozabe.+Tsy mba nataon’izy ireo teo anatrehany ianao.+
15 Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy,+Tsy mora tezitra+ ary be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.+
16 Tsinjovy aho, ka iantrao.+Omeo ny herinao ity mpanomponao,+Ary vonjeo ity zanaky ny mpanompovavinao.+
17 Omeo famantarana manaporofo ny hatsaran-toetranao aho,Mba ho hitan’ireo mankahala ahy izany, ka ho menatra izy ireo.+Fa ianao, Jehovah ô, no manampy sy mampionona ahy.+