Salamo 85:1-13
Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.
85 Finaritra amin’ny taninao ianao, Jehovah ô!+Efa nampodinao ireo babo taranak’i Jakoba.+
2 Efa namela ny fahadisoan’ny olonao ianao,+Ary efa ninia tsy nijery ny fahotany rehetra.+ Sela.
3 Nofehezinao ny fahatezeranao rehetra,+Ka tsy nisafoaka intsony ianao.+
4 Avereno ho toy ny taloha izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô!+Ary aza sosotra aminay intsony.+
5 Ho tezitra aminay mandritra ny fotoana tsy voafetra ve ianao?+Hitohy hatramin’ny taranaka fara mandimby ve ny fahatezeranao?+
6 Dia tsy hamelona anay intsony tokoa ve ianao?+Hifaly aminao mantsy ny olonao raha velominao indray!+
7 Anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana izahay, Jehovah ô!+Ary enga anie hamonjy anay ianao!+
8 Hihaino izay holazain’i Jehovah Andriamanitra aho,+Satria izy hiresaka momba ny fihavanana amin’ny olony+ sy amin’ireo tsy mivadika aminy.Aoka anefa izy ireo tsy hanjary hatoky tena indray.+
9 Eny tokoa, akaikin’izay matahotra an’Andriamanitra ny famonjeny,+Mba hitoeran’ny voninahitra eto amin’ny taninay.+
10 Fa mihaona ny hatsaram-panahy sy ny fahitsiana,+Ary mifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.+
11 Hitsimoka avy amin’ny tany ny fahitsiana,+Ary ny fahamarinana hitazana avy any an-danitra.+
12 Hanome zava-tsoa i Jehovah,+Ary hahavokatra ny taninay.+
13 Handeha eo anoloan’Andriamanitra ny fahamarinana,+Ka ho hita soritra eny amin’ny lalan’Andriamanitra ny dian-tongony.+