Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 82:1-8

Hiran’i Asafa. 82  Maka toerana Andriamanitra,+ eo amin’ny fivoriana+ tarihin’Andriamanitra, Eo amin’ireo andriamanitra Izy no mitsara,+ ka manao hoe:   “Mandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara,+ Na hiangatra amin’ny ratsy fanahy?+ Sela.   Tsarao araka ny hitsiny ny mahantra sy ny kamboty ray.+ Omeo rariny ny ory sy ny madinika.+   Vonjeo ny mahantra sy ny ory,+ Ka afaho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy.”+   Tsy mahalala izy ireo, ary tsy mahafantatra.+ Miraparapa ao anaty haizina izy ireo,+ Ka voahozongozona ny fototry ny tany manontolo.+   “Hoy aho: ‘andriamanitra ianareo,+ Ary zanak’ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.+   Ho faty toy ny olon-drehetra ihany anefa ianareo,+ Ary ho lavo toy ny andriana rehetra!’”+   Mitsangàna, Andriamanitra ô, ka tsarao ny tany,+ Fa anao tokoa ny firenena rehetra.+

Fanamarihana ambany pejy