Salamo 74:1-23
Maskila nataon’i Asafa.+
74 Nahoana no dia nanary anay mandrakizay ianao, Andriamanitra ô?+Nahoana ny fahatezeranao no mbola mirehitra foana amin’ny ondry ao amin’ny kijananao?+
2 Tsarovy ny vahoakanao, izay efa azonao hatry ny ela,+Dia ilay foko navotanao ho lovanao,+Sy ny Tendrombohitra Ziona fonenanao.+
3 Mankanesa any amin’ilay toerana, izay lasa korontam-bato mandritra ny fotoana lava.+Nosimban’ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin’ny toerana masina.+
4 Mierona eo afovoan’ny toerana fihaonana aminao ny mpankahala anao.+Ary ny sainan’izy ireo no atsangany ho famantarana.+
5 Malaza ratsy izy ireo, toy ny olona manainga famaky hikapa kirihitrala.
6 Ary izao dia velivelezin’izy ireo amin’ny famaky kely sy kibay misy lohany vy, ny zava-drehetra misy sokitra.+
7 Nodorany koa ny toeranao masina,+Ary nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.+
8 Samy miteny anakampo izy sy ny zanany hoe:“Hodorana daholo izay toerana fihaonana amin’Andriamanitra, eto amin’ity faritra ity.”+
9 Tsy hitanay intsony ny famantaranay. Tsy misy mpaminany intsony koa,+Ary tsy misy mahalala izahay hoe mandra-pahoviana.
10 Mandra-pahoviana ny mpandrafy anao no mbola hanala baraka anao, Andriamanitra ô?+Hanamavo mandrakizay ny anaranao ve ny fahavalo?+
11 Nahoana indray no miahotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana,+Nefa efa navoakanao avy tao an-tratranao? Tsy ho ringana eto ve izahay?
12 Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatramin’ny ela be,+Izy no manao famonjena lehibe eto an-tany.+
13 Ianao no nanetsika ny ranomasina tamin’ny herinao.+Ary novakinao tao anaty rano ny lohan’ny biby goavam-be any an-dranomasina.+
14 Ianao no nanorotoro ny lohan’ny biby goavam-be,*+Ary nanome izany hohanin’ny olona monina any amin’ny faritra karakaina.+
15 Ianao no nampitresaka ny vatolampy mba hamoaka loharano sy renirano,+Ary nataonao ritra ny renirano efa nikoriana teo foana.+
16 Anao ny andro, ary anao koa ny alina.+Ianao no namorona ny zavatra manome hazavana, dia ny masoandro.+
17 Ianao no nametra ny sisin’ny faritra rehetra eto an-tany,+Ary ianao no namorona ny fahavaratra sy ny ririnina.+
18 Tsarovy fa manala baraka anao ny fahavalo, Jehovah ô,+Ary manamavo ny anaranao ny olona tsisy saina.+
19 Aza omena ny bibidia ny ain’ny domohinanao,+Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny olonao ory.+
20 Tsarovy ilay fifanekena,+Fa lasa anjakan’ny herisetra, ny toerana maizina eto an-tany.
21 Aoka mba tsy hiverina amin-kenatra ny ampahorina,+Ary aoka hidera ny anaranao ny ory sy ny mahantra.+
22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, aoka ianao hiaro tena amin’ny fiampangana anao.+Tsarovy fa manala baraka anao mandrakariva ny tsisy saina.+
23 Tadidio ny feon’ny mpankahala anao.+Miakatra tsy an-kiato ny tabataban’ireo mitsangana hanohitra anao.+
Fanamarihana
^ Heb.: Leviatana.