Salamo 73:1-28
Hiran’i Asafa.+
73 Tsara fanahy amin’ny Israely tokoa Andriamanitra, eny, tsara fanahy amin’ny madio fo.+
2 Izaho kosa anefa saika nivily lalana,+Ary efa saika nibolisatra ny tongotro.+
3 Fa nitsiriritra ny mpirehareha aho,+Rehefa nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.+
4 Tsy mba mijalijaly ireny rehefa ho faty.+Be kibo erỳ izy fa matavy.+
5 Tsy mba sahirana toy ny olombelona rehetra mety maty ireny,+Ary tsy mba azom-pahoriana toy ny olon-kafa.+
6 Koa ny fireharehana no ataony rojo iambozonana,+Ary ny herisetra no ataony akanjo mandrakotra ny tenany.+
7 Bongon’ny tavy ny masony.+Ary mihoatra noho izay efa nokendreny tao am-pony ny zava-bitany.+
8 Manaraby sy miresaka zava-dratsy ireny.+Mieboebo erỳ izy miresaka momba ny fanambakana nataony. +
9 Ataony manakatra ny lanitra mihitsy ny vavany.+Mitety ny tany izy ary miteny izay tiany hotenenina.+
10 Koa entiny miverina ny olona,Ary rano be dia be no araraka hosotroin’izy ireo.
11 Dia hoy ireo: “Ahoana moa no ahalalan’Andriamanitra?+Manam-pahalalana angaha moa ilay Avo Indrindra?”+
12 Ireny ny ratsy fanahy! Miadana lalandava izy,+Sady mampitombo ny fananany.+
13 Very maina mihitsy ny nanadiovako ny foko,+Sy ny nanasako ny tanako ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.+
14 Azom-pahoriana aho tontolon’ny andro,+Ary anarina isa-maraina.+
15 Raha hoy aho: “Hitantara zavatra sahala amin’izany aho”,Dia ho nivadikaTamin’ny zanakao rehetra.+
16 Nandinika foana aho mba hahalalako izany.+Ary nanahiran-tsaina ahy izany,
17 Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra.+Te hahafantatra ny hoavin’ireny aho.+
18 Eo amin’ny toerana malama tokoa no ametrahanao an’ireny.+Ary ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.+
19 Tampoka teo, dia nanjary nigagan’ny olona ireny.+Nifarana ny fiainany, eny, nifarana noho ny loza tampoka.
20 Jehovah ô, toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha,+No hanaovanao tsinontsinona ny voninahiny, rehefa mifoha ianao.+
21 Fa sosotra aho tao am-poko tao,+Ary nanaintaina mafy ny voako.+
22 Tsy nisaina aho ary tsy nanam-pahalalana.+Toy ny biby aho teo imasonao.+
23 Eo aminao mandrakariva anefa aho.+Ary nandray ny tanako ankavanana ianao.+
24 Ny torohevitrao no hitarihanao ahy,+Ary homenao voninahitra aho avy eo.+
25 Manana an’iza moa aho any an-danitra?+Ary tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao.+
26 Trotraka ny vatako sy ny foko.+Andriamanitra anefa no vatolampin’ny foko sy anjarako mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
27 Fa ho ringana izay manalavitra anao,+Ary hataonao mangina izay mivadika aminao ka mahafoy* anao.+
28 Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.+I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako,+Mba hanambarako ny asany rehetra.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “mijangajanga mahafoy.”