Salamo 69:1-36
Ho an’ny mpitarika ny Lisy.+ Nataon’i Davida.
69 Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa miakatra ny rano ka mila hahafaty ahy.*+
2 Tafalentika ao anaty fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hamaharan’ny tongotro.+Tafalatsaka anaty rano lalina aho,Ary nofaohin’ny rano misasasasa.+
3 Efa sasatry ny miantso aho,+Ary farina mihitsy ny feoko.Reraka ny masoko eo am-piandrasana an’Andriamanitro.+
4 Maro noho ny volon-dohako ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+Be dia be no mitady hampangina ahy, ka mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’antony.+Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.
5 Andriamanitra ô, ianao no mahalala ny hadalako,Ary tsy miafina aminao ny heloko.+
6 Tsy ho menatra noho ny amiko anie ireo manantena anao,+Ry Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony!+Tsy ho afa-baraka noho ny amiko anie ireo mitady anao,+Ry Andriamanitry ny Israely ô!+
7 Fa noho ny aminao no itondrako latsa,+Tototry ny fahafaham-baraka aho.+
8 Toy ny olona tsy fantatry ny rahalahiko aho,+Ary toy ny vahiny tamin’ny zanaky ny reniko.+
9 Fa mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao,+Ary mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.+
10 Nitomany sy nifady hanina aho,+Nefa izany indray no nandatsana ahy.+
11 Rehefa niakanjo gony aho,Dia nataon’izy ireo teny fanarabiana ny anarako.+
12 Niresaka momba ahy ireo nipetraka teo am-bavahady,+Ary izaho no ambentin-kiran’ny mpisotro toaka.+
13 Fa izaho kosa dia nivavaka taminao, Jehovah ô,+Tamin’ny fotoana nanehoanao fankasitrahana, Andriamanitra ô!+Noho ny haben’ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, dia valio aho ka asehoy fa ianao no tena mpamonjy.+
14 Avoty avy ao anaty fotaka aho, mba tsy hilentika.+Afaho amin’ny mpankahala ahy+ sy amin’ny rano lalina aho.+
15 Aoka tsy hifaoka ahy ny rano misasasasa,+Na hitelina ahy ny lalina,Na hikatona amiko ny vavan’ny lavadrano.+
16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+Mba tsinjovy aho fa be famindram-po ianao,+
17 Ary aza manafina ny tavanao amin’ny mpanomponao.+Mba valio haingana aho, fa azom-pahoriana mafy.+
18 Manatòna ahy, ka vonjeo aho.+Mba avoty eo an-tanan’ny fahavaloko aho.+
19 Ianao mahalala ny latsa sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka entiko.+Eo anatrehanao daholo ny mpankahala ahy.+
20 Nahavaky fo ahy ny latsa, ary tsy mety sitrana ilay fery.+Nanantena aho hoe mba hisy hangoraka, saingy indrisy fa tsy nisy,+Ary mba hisy hampionona, saingy tsy nahita na iray aza.+
21 Zavamaniry misy poizina no nomeny hohaniko,+Ary notadiaviny hampisotroina vinaingitra aho rehefa nangetaheta.+
22 Aoka ho vela-pandrika ho azy ireo ny latabany,+Ary ho fandrika ho azy, izay zavatra natao hahasoa azy.+
23 Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita,+Ary ataovy mangozohozo foana ny andilany.+
24 Ambarao aminy amin-katezerana ny fanamelohanao,+Ary hahatratra azy anie ny fahatezeranao mafy!+
25 Aoka ho foana ny tobiny misy manda,+Ary aoka tsy hisy honina intsony ao an-tranolainy.+
26 Ilay nokapohinao no enjehin’izy ireo,+Ary ny fijalian’izay notrobaranao no ambentin-dresany.
27 Aoka hiampy fahadisoana ny fahadisoany,+Ary aoka izy ireo tsy hekenao ho marina.+
28 Aoka ny anarany hofafana tsy ho ao amin’ny boky misy ny anaran’ny velona,+Ary tsy hosoratana ao miaraka amin’ny anaran’ny olo-marina.+
29 Fa ory sy mijaly aho.+Hiaro ahy anie ny famonjenao, Andriamanitra ô!+
30 Hidera ny anaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira aho,+Ary hankalaza azy amin’ny fisaorana.+
31 Izany no ho sitrak’i Jehovah mihoatra noho ny ombilahy,+Sy ny vantotr’ombilahy misy tandroka sady mivaky kitro.+
32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly.+Aoka hitepo* foana ny fonareo izay mitady an’Andriamanitra.+
33 Fa henoin’i Jehovah ny mahantra,+Ary tsy hataony tsinontsinona mihitsy ny olony voafonja.+
34 Aoka hidera azy ny lanitra sy ny tany,+Mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.+
35 Fa hamonjy an’i Ziona Andriamanitra,+Ka hanorina an’ireo tanànan’i Joda.+Dia honina ao izy ireo, ka haka izany ho fananany.+
36 Handova izany koa ny taranaky ny mpanompon’Andriamanitra,+Ary ireo tia ny anarany no honina ao.+