Salamo 65:1-13
Ho an’ny mpitarika. Hira fiderana nataon’i Davida.
65 Ho anao ny dera sy ny fanginana, ry Andriamanitra any Ziona ô!+Ary aminao no hanefana ny voady.+
2 Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.+
3 Tototry ny fahadisoana aho.+Ary ny helokay, dia ianao no hamela* azy.+
4 Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao,+Mba hitoetra eo an-tokotanin’ny tempolinao.+Ho afa-po tokoa izahay amin’ny zava-tsoa ao an-tranonao,+Dia ao amin’ny tempolinao masina.+
5 Zavatra mampahatahotra sy araka ny marina no avalinao anay,+Ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,+Ry ilay Itokisan’ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany sy ireo any an-dranomasina lavitra.+
6 Mampiorina mafy ny tendrombohitra amin’ny heriny izy.+Misikina fahatanjahana izy,+
7 Ary mampitony ny feon’ny ranomasina+Sy ny fidoboky ny onjany ary ny tabataban’ireo firenena.+
8 Hatahotra an’ireo famantarana omenao ny mponina any amin’ny faritra lavitra indrindra.+Entaninao hihoby koa ny masoandro miposaka sy ny masoandro mody.+
9 Mitsinjo ny tany ianao mba hampahavokatra azy.+Mampahalonaka azy koa ianao.Mikoriana foana ny renirano avy amin’Andriamanitra.+Mampisy vokatra eo aminy ianao,+Rehefa mikarakara ny tany toy izany.+
10 Vonton-drano ny vava asany, ary voavakivaky ny baingany.+Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsimoka eo aminy.+
11 Nataonao nandravaka ny taona ny hatsaranao,+Ary zava-tsoa be dia be no miraraka eny amin’izay andalovanao.+
12 Mitete rano ny kijana any an-tany efitra,+Ary misikina fifaliana ny havoana.+
13 Feno ondry aman’osy eny amin’ny kijana,+Ary rakotra varimbazaha ny lemaka iva.+Manao horakora-pandresena ireny, eny, mihira.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “handrakotra.”