Salamo 64:1-10
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
64 Henoy aho, Andriamanitra ô, fa velom-panahiana.+Hiaro ny aiko anie ianao, noho ny zavatra mampahatahotra ataon’ny fahavalo.+
2 Afeno aho mba tsy hisy fiantraikany eo amiko ny resaka mangingina ifanaovan’ny mpanao ratsy,+Sy ny tabataban’ny mpisompatra.+
3 Mandranitra ny lelany toy ny sabatra ireny,+Ary mikendry amin’ny zana-tsipìkany, dia ny teny mandratra aloaky ny vavany,+
4 Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin’ny takona.+Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.+
5 Mikiry miteny zava-dratsy ireny,+Ary milaza ny hanafina fandrika,+Ka manao hoe: “Iza no hahita an’izany?”+
6 Mikasa foana ny hanao ny tsy marina ireny,+Ary mikotrika teti-dratsy efa maty paika.+Tsy hay fantarina ny ao anatin’ny tsirairay aminy, eny, ny ao am-pony.+
7 Hotifirin’Andriamanitra tampoka amin’ny zana-tsipìka anefa ireny,+Ka haratra.+
8 Manao izay hahatafintohina ny hafa ireny,+Nefa hifotitra aminy ihany ny teniny.+Hihivingivin-doha izay rehetra mahita azy,+
9 Ary hatahotra daholo ny olombelona.+Hilaza izay nataon’Andriamanitra izy ireo,+Ary hahafantatra tsara ny asany.+
10 Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy tokoa.+Ary hirehareha avokoa ny mahitsy fo.+