Salamo 57:1-11
Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Miktama nataon’i Davida, rehefa nandositra an’i Saoly izy, ka nankao an-dava-bato.+
57 Iantrao aho Andriamanitra ô! Iantrao aho,+Fa ianao no ialofako,+Ary mialoka ao ambany elatrao aho mandra-pahalasan’ny loza.+
2 Miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia ilay tena Andriamanitra, izay mampitsahatra izany noho ny amiko.+
3 Hanampy ahy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy.+Hataony misahotaka tokoa izay mitady handrapaka ahy.+ Sela.Haniraka ny hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny fahamarinany Andriamanitra.+
4 Eo anivon’ny liona aho,+Ary voatery mandry eo anivon’ny mpandrapaka olona, eny, eo anivon’ny zanak’olombelona,Izay manana nify toy ny lefona sy toy ny zana-tsipìka,+Ary toy ny sabatra maranitra ny lelany.+
5 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!+Aoka ho ambonin’ny tany manontolo ny voninahitrao.+
6 Nanomana harato hamandrihana ahy ireny,+Ka nitanondrika aho.+Nihady lavaka hamandrihana ahy ireny,Nefa izy ihany no latsaka tao.+ Sela.
7 Tsy miovaova ny foko, Andriamanitra ô!+Tsy miovaova ny foko.Hihira sy hanandra-peo hidera anao aho.+
8 Mifohaza, ry voninahitro ô!+Mifohaza, ry lokanga ô! Ianao koa, ry harpa ô!+Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.
9 Hidera anao eo amin’ireo firenena aho, Jehovah ô,+Ary hihira fiderana ho anao eo amin’ny firenena samy hafa.+
10 Fa lehibe ny hatsaram-panahinao feno fitiavana ka mipaka hatreny amin’ny lanitra,+Ary ny fahamarinanao hatreny amin’ny rahona.+
11 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!+Aoka ho ambonin’ny tany manontolo ny voninahitrao.