Salamo 54:1-7
Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga. Maskila nataon’i Davida. Nankany amin’i Saoly ny Zifita tamin’izay, ka nilaza hoe: “Tsy fantatrao angaha fa miafina any aminay i Davida?”+
54 Andriamanitra ô, ny anaranao no aoka hamonjy ahy.+Hiady ho ahy eo amin’ny fitsarana anie ianao, ka hampiasa ny herinao!+
2 Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko,+Ary aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny tenin’ny vavako.+
3 Fa misy olon-tsy fantatra mitsangana hamely ahy,Ary misy mpanjakazaka mifofo ny aiko.+Tsy mba ataon’izy ireo eo anatrehany Andriamanitra.+ Sela.
4 Andriamanitra no mpanampy ahy.+Momba an’izay manohana ahy i Jehovah.
5 Hamaly ny ratsy nataon’ny fahavaloko izy.+Ataovy mangina ireny noho ny fahamarinanao.+
6 An-tsitrapo no hanaovako sorona ho anao.+Hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izany.+
7 Fa nanafaka ahy tamin’ny fahoriana rehetra izy,+Ary faly ny masoko nijery izay nanjo ny fahavaloko.+