Salamo 52:1-9
Ho an’ny mpitarika. Maskila nataon’i Davida, rehefa tonga i Doega Edomita, ka nilaza tamin’i Saoly fa nankany an-tranon’i Ahimeleka i Davida.+
52 Nahoana ianao no mirehareha amin’ny zava-dratsy, ry ilay mahery ô?+Mitohy isan’andro ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra.+
2 Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza,+Sady mamitaka.+
3 Ny ratsy no tianao noho ny tsara,+Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina.+ Sela.
4 Tianao daholo izay teny mitondra loza,+Ry lela mpamitaka ô!+
5 Horinganin’Andriamanitra mandrakizay ianao.+Handavo anao izy, ary hisintona anao avy ao an-tranolainao.+Hanongotra anao hiala amin’ny tanin’ny velona tokoa izy.+ Sela.
6 Hahita izany ny olo-marina, ka hatahotra+Sy hihomehy azy.+
7 Tsy manao an’Andriamanitra ho fiarovana mafy ho azy izany lehilahy tomady izany,+Fa ny harem-beny no itokisany.+Mitondra loza izy, ary izany no ataony fialokalofana.+
8 Fa izaho kosa ho toy ny oliva midoroboka+ ao an-tranon’Andriamanitra.Ny hatsaram-panahin’Andriamanitra no itokisako mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+
9 Hidera anao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho, noho izay nataonao.+Ary hanantena ny anaranao eo anatrehan’ireo tsy mivadika aminao aho, satria tsara izany.+