Salamo 44:1-26
Ho an’ny mpitarika. Maskila nataon’ny taranak’i Kora.+
44 Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre,Ny razanay mihitsy no nitantara taminay+Ny zavatra nataonao tamin’ny androny,+Tamin’ny andro fahiny.+
2 Noroahinao tamin’ny tananao ireo firenena,+Fa izy ireo kosa no nampitoerinao* hisolo an’ireny.+Nomontsamontsaninao ny firenena samy hafa ka noroahinao.+
3 Tsy ny sabany no nahazoany ilay tany,+Ary tsy ny sandriny no nahavonjy azy,+Fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao+ ary ny fahazavan’ny tavanao,Satria sitrakao izy ireo.+
4 Ianao no Mpanjakako, Andriamanitro ô!+Aoka ianao hamoaka didy mba hahazo famonjena lehibe i Jakoba.+
5 Noho ny fanampianao, dia ho vitanay ny hanosika ny fahavalonay.+Ary noho ny anaranao dia hanosihosy an’ireo mitsangana hanohitra anay izahay.+
6 Fa tsy ny tsipìkako no nitokisako,+Ary tsy ny sabatro no namonjy ahy.+
7 Fa ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay,+Sy nampahamenatra an’ireo mankahala mafy anay.+
8 Andriamanitra no hoderainay mandrakariva,+Ary ny anaranao no hankalazainay mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Sela.
9 Efa nanary anay anefa ianao, ary manao izay hahafa-baraka anay,+Sady tsy miaraka amin’ny tafikay intsony.+
10 Ataonao miverin-dalana foana izahay eo anoloan’ny fahavalonay,+Ary mandroba zavatra ho an’ny tenany ireo mankahala mafy anay.+
11 Afoinao toy ny ondry atao sakafo izahay,+Ary aparitakao any amin’ireo firenena.+
12 Ataonao varo-boba ny olonao,+Ary tsy ahazoanao tombony akory ny vidiny.
13 Avelanao holatsain’ny mpiara-monina aminay izahay,+Eny, avelanao haneso sy hanaraby anay ireo manodidina anay.+
14 Ataonao teny fanarabiana eo amin’ireo firenena izahay,+Sady ataonao mampihivingivin-doha an’ireo firenena samy hafa.+
15 Eo anoloako mandrakariva ny fahafaham-barakako,Ary voasarona henatra ny tavako,+
16 Noho ny tenin’ny mpandatsa sy ny mpanevateva ahy,Noho ny ataon’ny fahavalo sy ny mpamaly faty.+
17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay,+Ary tsy mivadika amin’ny fifanekena nataonao taminay.+
18 Tsy mivadika aminao ny fonay,+Ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay.+
19 Notorotoroinao tany amin’ny toerana iangonan’ny alikadia izahay,+Ary nosaronanao haizim-pito.+
20 Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay,Na namelatra ny tananay ho amin’ny andriamani-kafa,+
21 Dia tsy ho hitan’Andriamanitra ve izany?+Fa mahafantatra ny miafina ao am-po izy.+
22 Vonoina ho faty mandrakariva anefa izahay noho ny aminao,Ary toy ny ondry haripaka no fiheverana anay.+
23 Miarena, Jehovah ô! Nahoana ianao no mbola matory ihany?+Mifohaza! Aza ariana mandrakizay izahay.+
24 Nahoana ianao no manafina ny tavanao?Nahoana ianao no manadino ny fijalianay sy ny fahorianay?+
25 Mihohoka amin’ny vovoka izahay,+Ary mipetaka amin’ny tany ny kibonay.
26 Mitsangàna hanampy anay,+Ka avoty izahay noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “nambolenao.”