Salamo 4:1-8
Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga.+ Hiran’i Davida.
4 Ry Andriamanitro tia rariny+ ô, valio aho rehefa miantso anao.Voagejan’ny fahoriana aho, ka omeo fahalalahana.Iantrao aho,+ ka henoy ny vavaka ataoko.
2 Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no hanaovanareo tsinontsinona ny voninahitro?+Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zava-poanaSy hamoron-dainga? Sela.
3 Koa fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olony tsy mivadika.+Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.+
4 Tezera fa aza manota.+Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana.+ Ary aoka hangina ianareo. Sela.
5 Manaova sorona ka atolory amim-pahamarinana+ izany,Ary matokia an’i Jehovah.+
6 Maro no miteny hoe: “Iza no hanao izay hahitantsika zava-tsoa?”Aoka ianao hankasitraka anay,*+ Jehovah ô!
7 Hataonao mahatsapa fifaliana aho ato am-poko,+Dia fifaliana lehibe kokoa noho ny tamin’ny fotoana naha betsaka ny varimbazahany sy ny divainy vaovao.+
8 Handry sy hatory amim-piadanana aho,+Fa ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy tsy hanana ahiahy.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “hanandratra ny fahazavan’ny tavanao aminay.”