Salamo 38:1-22
Hiran’i Davida, ho fampahatsiahivana.
38 Jehovah ô, aoka tsy ho ao anatin’ny fahatezerana no hananaranao ahy,+Ary aoka tsy ho ao anatin’ny fahavinirana no hanitsianao ahy.+
2 Fa mitsatoka lalina any anatiko ny zana-tsipìkanao,+Ary mavesatra amiko ny tananao.+
3 Tsy misy tsy marary ny nofoko, noho ny fanamelohanao.+Ary na hatrany amin’ny taolako aza dia tsy misy fiadanana, noho ny fahotako.+
4 Fa efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako.+Toy ny enta-mavesatra ireny, ka mavesatra loatra amiko.+
5 Maimbo sy mamoro-nana ny feriko,Noho ny hadalana vitako.+
6 Sahiran-tsaina aho ka mitanondrika tanteraka.+Ary mandehandeha amin’alahelo foana aho.+
7 Fa mamaivay daholo ny andilako,Ary tsy misy tsy marary ny nofoko.+
8 Rera-po aho, ary kivy tanteraka.Mitaraindraina aho noho ny fitolokon’ny foko.+
9 Jehovah ô, eo anatrehanao daholo ny faniriako rehetra,Ary tsy miafina aminao ny fisentoako.+
10 Midobodoboka mafy ny foko, ary lany ny heriko.Lefy koa ny hazavan’ny masoko.+
11 Mihatakataka amiko ny namako sy ireo tia ahy, noho ny loza manjo ahy.+Ary mijanona eny lavitra eny ireo namako akaiky.+
12 Fa mamela-pandrika ireo mifofo ny aiko.+Miresaka fampahoriana ireo mitady hanisy ratsy ahy,+Ary mingonongonona milaza fitaka foana izy ireo.+
13 Izaho kosa anefa toy ny marenina ka tsy nihaino,+Ary toy ny moana, ka tsy niloa-bava.+
14 Nanjary toy ny olona tsy mandre aho,Ary tsy nanan-kavaly koa ny vavako.
15 Fa ianao no nandrasako, Jehovah ô!+Namaly ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitro ô!+
16 Fa hoy aho: “Raha tsy namaly ianao, dia ho nifaly tamin’ny fahavoazako ireny.+Ary raha nangozohozo ny tongotro,+ dia ho nirehareha nanohitra ahy tokoa ireny.”+
17 Fa efa saika solafaka aho,+Ary teo anatrehako foana ny fijaliako.+
18 Koa nitsotra ny fahadisoako aho.+Nampiady saina ahy ny fahotako.+
19 Lasa mahery ireo fahavaloko mbola velona,+Ary nihamaro ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+
20 Namaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,+Ary nanohitra ahy foana satria manao ny tsara aho.+
21 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô!Aoka ianao tsy ho lavitra ahy, ry Andriamanitro ô!+
22 Ampio haingana aho,+Ry Jehovah mpamonjy ahy ô!+