Salamo 35:1-28
Nataon’i Davida.
35 Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana Jehovah ô, ka tohero ny fahavaloko.+Miadia amin’ireo miady amiko.+
2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe,+Ka mitsangàna hanampy ahy.+
3 Ampiasao koa ny lefona sy ny famaky roa lela, mba hamelezana an’ireo manenjika ahy.+Ary aoka ianao hilaza amiko hoe: “Izaho no mpamonjy anao.”+
4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka ireo mifofo ny aiko.+Aoka hiverin-dalana sy hangaihay ireo mitetika ny hahatonga loza amiko.+
5 Aoka izy ireo ho tahaka ny akofa entin’ny rivotra.+Hampandositra azy anie ny anjelin’i Jehovah!+
6 Ho maizina sy ho malama anie ny lalany,+Ary hanenjika azy anie ny anjelin’i Jehovah!
7 Fa namandrika ahy tsy amin’antony izy ireo, ka lavaka misy harato no namandrihany ahy.+Eny, nihady lavaka izy mba hamonoana ahy tsy amin’antony.+
8 Aoka hisy loza hanjo azy tampoka,+Ary ny harato nafeniny ihany no aoka hamandrika azy.+Aoka hisy loza hanjo azy ka ho latsaka ao amin’ilay harato izy.+
9 Fa aoka kosa aho hifaly amin’i Jehovah,+Sy hiravoravo amin’ny famonjeny.+
10 Aoka ny taolako rehetra hilaza hoe:+“Iza no tahaka anao Jehovah ô,+Izay manafaka ny ory tsy ho azon’ny mahery noho izy,+Ary manafaka ny ory sy ny mahantra tsy ho azon’ny mpandroba?”+
11 Vavolombelona mahery setra no mitsangana hiampanga ahy.+Ary zavatra tsy fantatro no anontaniany ahy.+
12 Mamaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,+Ka ory dia ory aho.+
13 Izaho kosa anefa niakanjo gony rehefa narary izy ireo.+Nampahory ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho,+Ary niverina teo an-tratrako ny vavaka nataoko.+
14 Nanahy mafy ny amin’ny namako sy ny rahalahiko aho,+Ka nandehandeha toy ny olona misaona an-dreniny.+Nalahelo aho, ka nitanondrika.
15 Rehefa nikotringa anefa aho, dia nifaly sy nitangorona izy ireo.+Nitangorona hanohitra ahy izy ireo,+Ka namely ahy tampoka,+Sy namiravira ahy tsy an-kijanona, ary tsy nety nangina.+
16 Ireo mpivadi-pinoana izay naneso mba hahazoana mofo,+Dia nihidy vazana tamiko.+
17 Jehovah ô, mandra-pahoviana ianao no hitazam-potsiny?+Avoty aho tsy ho azon’ny fandringanany.+Avoty tsy ho azon’ny liona tanora ny aiko, izay lahitokako.+
18 Hankalaza anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho,+Ary eo anivon’ny olona maro be no hiderako anao.+
19 Aoka tsy ho faly amin’ny fahavoazako ireo mitsangana ho fahavaloko tsy amin’antony.+Aoka tsy hifanao pimaso ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+
20 Tsy fihavanana no resahiny.+Ireo tia fihavanana eto an-tany kosa,No tiany hofitahina ka anaovany teti-dratsy.+
21 Mitanatana vava mandatsa ahy izy ireo,+Ka milaza hoe: “Tsara ho azy izay! Ny masonay mihitsy no nahita.”+
22 Mahita izany ianao Jehovah ô,+ ka aza mangina fotsiny.+Aoka ianao tsy ho lavitra ahy Jehovah ô!+
23 Miarena ka mifohaza mba hitsara ahy,+Eny, mifohaza mba handray an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana, Jehovah Andriamanitro ô!+
24 Tsarao araka ny fahamarinanao aho, Jehovah Andriamanitro ô!+Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako izy ireo.+
25 Aoka tsy hiteny anakampo izy ireo hoe: “Tsara ho azy izay! Izay mihitsy no efa nandrasanay.”+Aoka tsy hiteny izy ireo hoe: “Nataonay teli-moka izy.”+
26 Aoka ho menatra sy hangaihay daholo+Ireo faly amin’ny fahavoazako.+Aoka hitafy henatra+ sy fahafaham-baraka ireo mirehareha manohitra ahy.+
27 Aoka kosa hihoby sy hifaly ireo finaritra amin’ny fahamarinako,+Ka hilaza foana hoe:+“Hankalazaina anie i Jehovah, izay finaritra amin’ny fiadanan’ny mpanompony!”+
28 Aoka ny lelako hilaza moramora ny fahamarinanao,+Sy hidera anao lalandava.+