Salamo 3:1-8
Hiran’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany.+
3 Jehovah ô, nahoana no be dia be toy izao ny fahavaloko?+Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?+
2 Izao no lazain’ny olona maro momba ahy:“Tsy hahazo famonjena avy amin’Andriamanitra izy.”+ Sela.
3 Ianao anefa no ampingako, Jehovah ô,+Ianao no voninahitro,+ ary Ianao no mampitraka ny lohako.+
4 Hanandratra ny feoko hiantso an’i Jehovah aho,Dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina izy.+ Sela.
5 Hitsotsotra aho ka hatory,Ary hifoha aho, satria manampy ahy foana i Jehovah.+
6 Tsy hatahorako ny olona an’aliny,Izay milahatra manodidina mba hamely ahy.+
7 Mitsangàna,+ Jehovah ô! Vonjeo aho,+ ry Andriamanitro ô!+Asio eo amin’ny valanoranony ny fahavaloko rehetra,+Ary ataovy tapatapaka ny nifin’ny ratsy fanahy.+
8 Avy amin’i Jehovah ny famonjena.+Mitahy ny olonao ianao.+ Sela.