Salamo 29:1-11
Hiran’i Davida.
29 Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry zanaky ny mahery ô!Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.+
2 Ekeo fa be voninahitra ny anaran’i Jehovah.+Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fitafiana masina.+
3 Eny ambonin’ny rano ny feon’i Jehovah.+Mampirefotra kotroka+ ilay Andriamanitra be voninahitra.+Eny ambonin’ny rano be i Jehovah.+
4 Midoboka mafy ny feon’i Jehovah.+Be voninahitra ny feon’i Jehovah.+
5 Tapatapaka ny sedera noho ny feon’i Jehovah.Eny, ataon’i Jehovah tapatapaka tanteraka ny sederan’i Libanona.+
6 Ataony mitsambikimbikina toy ny zanak’omby ireny,+Ary ataony mifalihavanja toy ny zanak’ombidia i Libanona sy Siriona.+
7 Mahatonga afo ny feon’i Jehovah.+
8 Ny feon’i Jehovah no mahatonga ny tany efitra hiolanolana noho ny fanaintainana,+Eny, ataon’i Jehovah miolanolana ny tany efitr’i Kadesy.+
9 Mampihetsi-jaza ny serfavavy ny feon’i Jehovah,+Sady mampangadihady ny toerana rakotra ala.+Koa samy milaza daholo ny ao an-tempoliny hoe: “Voninahitra ho an’Andriamanitra!”+
10 Mipetraka eo ambonin’ny safodrano i Jehovah.+Mitoetra ho mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah.+
11 Hanome hery ny vahoakany i Jehovah.+Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.+