Salamo 28:1-9
Nataon’i Davida.
28 Ianao no antsoiko mandrakariva, Jehovah ô!+Aza manampin-tsofina tsy hihaino ahy, ry Vatolampiko ô,+Mba tsy hahatonga anao hangina tsy hamaly ahy+Ary mba tsy ho sahala amin’ireo midina any an-davaka aho.+
2 Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho,Sy rehefa manandratra ny tanako+ manandrify ny efitra anatiny indrindra amin’ny toeranao masina.+
3 Aza taritaritina miaraka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao ratsy aho.+Fihavanana no resahin’ireny amin’ny namany+ nefa ratsy ny ao am-pony.+
4 Valio araka ny asany ireny,+Eny, araka ny ratsy fanaony.+Valio araka ny asan’ny tanany ireny.+Ataovy mitsingerina aminy ihany ny ataony.+
5 Fa tsy ahoan’ireny izay ataon’i Jehovah+Sy ny asan’ny tanany.+Hotorotoroin’Andriamanitra ireny, ary hataony tsy ho tafarina intsony.
6 Hisaorana anie i Jehovah fa nohenoiny ny fitalahoako!+
7 I Jehovah no heriko+ sy ampingako.+Izy no itokian’ny foko.+Nanampy ahy izy ka faly ny foko,+Ary ny hirako no hiderako azy.+
8 I Jehovah no herin’ny vahoakany,+Ary izy no fiarovana mafy izay mitondra famonjena lehibe ho an’ny voahosony.+
9 Vonjeo ny vahoakanao, ary tahio ny lovanao.+Aoka ianao ho mpiandry azy ka hitondra azy mandritra ny fotoana tsy voafetra.+