Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 24:1-10

Hiran’i Davida. 24  An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,+ Eny, ny tany lonaka sy izay monina eo aminy.+   Naoriny teo ambonin’ny ranomasina izy,+ Ary ataony mafy orina eo ambonin’ny renirano.+   Iza no hankany an-tendrombohitr’i Jehovah?+ Ary iza no hiakatra any amin’ny toerany masina?+   Izay tsy manan-tsiny eo amin’izay ataon’ny tanany sady madio fo,+ Ary tsy manao tsinontsinona Ahy,*+ Na mianiana hoenti-mamitaka.+   Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy,+ Ary hanaiky azy ho marina ilay Andriamanitry ny famonjena azy.+   Izany no taranaka mitady Azy. Izany no taranaka mitady anao,* ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+ Sela.   “Aoka ianareo ho avo kokoa, ry vavahady ô,+ Ary aoka ianareo hisondrotra, ry fidirana efa nisy hatry ny ela ô,+ Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!”+   “Iza izany Mpanjaka be voninahitra izany?”+ “I Jehovah, ilay matanjaka sy mahery!+ I Jehovah, ilay mpiady mahery!”+   “Aoka ianareo ho avo kokoa, ry vavahady ô,+ Eny, aoka ianareo ho avo kokoa, ry fidirana efa nisy hatry ny ela ô, Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!”+ 10  “Iza marina izany Mpanjaka be voninahitra izany?” “I Jehovah Tompon’ny tafika! Izy ilay Mpanjaka be voninahitra!”+ Sela.

Fanamarihana ambany pejy

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “ny tavanao.”