Salamo 23:1-6
Hiran’i Davida.
23 I Jehovah no Mpiandry+ ahy.Tsy ho ory na inona na inona aho.+
2 Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy,+Ary mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara.+
3 Mamelombelona ahy izy,+Ary mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana, noho ny anarany.+
4 Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho,+Dia tsy misy loza atahorako,+Satria ianao no eo anilako.+Ny tsorakazonao sy ny tehinao no manome toky ahy.+
5 Manomana latabatra eo anoloako ianao, eo imason’ny fahavaloko.+Manosotra menaka ny lohako ianao.+Feno mitafotafo ny kaopiko.+
6 Hanehoanao hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy feno fitiavana aho, mandritra ny androm-piainako.+Honina ao an-tranon’i Jehovah aho, amin’ny andro rehetra ahavelomako.+