Salamo 19:1-14
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
19 Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra,+Ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.+
2 Miboiboika teny fiderana ny andro tsirairay,+Ary ny alina tsirairay manome fahalalana.+
3 Tsy miteny izy ireo, ary tsy mivolana.Tsy misy feo re avy aminy.+
4 Efa nivoaka eran-tany anefa ny tady fandrefesany,+Ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny teny lazainy.+Nasian’Andriamanitra tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra.+
5 Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranony izy.+Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.+
6 Avy any amin’ny faravodilanitra iray no iaingany,Ary any amin’ny faravodilanitra anankiray no amaranany ny diany.+Tsy misy tsy azon’ny hafanany.+
7 Tonga lafatra+ ny lalàn’i+ Jehovah sady mamelombelona.+Azo itokisana+ ny fampahatsiahivan’i+ Jehovah, mampahahendry+ an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.
8 Mahitsy+ ny fitsipik’i+ Jehovah, mahafaly ny fo.+Madio+ ny didin’i+ Jehovah, mampahiratra ny maso.+
9 Madio ny fahatahorana+ an’i Jehovah, maharitra mandrakizay.Marina+ ny didim-pitsaran’i+ Jehovah, ara-drariny+ avokoa.
10 Faniry noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena voadio be dia be,+Ary mamy noho ny tantely+ sy ny tantely mikoriana avy amin’ny tohotra.*+
11 Fampitandremana ho an’ny mpanomponao koa ireny,+Ary ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.+
12 Iza no mahatsapa ny fahadisoana ataon’ny tenany?+Mamelà ahy amin’izay fahotana tsy fantatro akory.+
13 Arovy koa ny mpanomponao mba tsy ho sahisahy hanao izay tsy tokony hatao,+Ary aza avela hifehy ahy izany toe-tsaina izany.+Amin’izay dia tsy hanan-tsiny aho,+Ary tsy ho meloka ho nanao fahadisoana maro.
14 Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko+Ka hankasitrahanao Jehovah ô, ry Vatolampiko+ sy Mpanavotra+ ahy!
Fanamarihana
^ Efitrefitra kely be dia be fametrahan’ny tantely ny maminy.