Salamo 18:1-50
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. Nataony ho an’i Jehovah izao tononkira izao, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo am-pelatanan’ny fahavalony rehetra sy teo am-pelatanan’i Saoly.+ Hoy izy:
18 Hiraiki-po aminao aho, Jehovah ô, fa ianao no heriko.+
2 I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy.+Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho,+Fa izy no ampingako sy tandroka famonjena ahy, tendrombohitra fandosirako.+
3 I Jehovah, Ilay mendrika hoderaina, no hantsoiko,+Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+
4 Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana,+Ary nampihorohoro ahy koa ireo olona tsy manjary, izay nanafotra tampoka toy ny ranotrambo.+
5 Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana,*+Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.+
6 Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako.Ilay Andriamanitro no nilako vonjy.+Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko,+Ary ren’ny sofiny aho rehefa niantso vonjy.+
7 Nihozongozona sy nihovotrovotra ny tany,+Nihorohoro ny fototry ny tendrombohitra.+Nihozongozona tsy an-kijanona ireny satria nisy nampahatezitra Azy.+
8 Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany.+Nisy vainafo niredareda avy taminy.
9 Dia natongilany ny lanitra ka nidina izy,+Ary haizim-pito no teo ambany tongony.
10 Nitaingina kerobima izy ka nanidina,+Ary niriotra teny ambony elatry ny anjely.*+
11 Ny haizina no nataony fiafenana.+Ary nanodidina azy toy ny trano rantsankazoNy rahona mainty vonton-drano.+
12 Nisy rahona nandalo teo amin’ilay famirapiratana teo anatrehany,+Sady nisy havandra sy vainafo.+
13 Nampirefotra kotroka avy tany an-danitra i Jehovah,+Ary nanandratra ny feony ny Avo Indrindra,+Dia nisy havandra sy vainafo.
14 Tsy nitsahatra nandefa ny zana-tsipìkany izy mba hanaparitahana an’ireny,+Ary nandefa tselatra izy mba hahatonga an’ireny hisahotaka.+
15 Nanjary hita ny fanambanin’ny renirano,+Ary niharihary ny fototry ny tany lonaka,+Satria niteny mafy azy ianao, Jehovah ô, eny, ny fofonain’ny vavoronao no nitsofanao azy.+
16 Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany ka nandray ahy,+Ary nisarika ahy avy tao anaty rano be.+
17 Nanafaka ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+Sy tamin’izay nankahala ahy. Nahery noho izaho mantsy ireny.+
18 Nanohitra ahy foana ireny tamin’ny andro nahitako loza,+Nefa i Jehovah nanampy ahy.+
19 Namoaka ahy eo amin’ny toerana malalaka izy,+Ary namonjy ahy satria nankasitraka ahy.+
20 Mamaly soa ahy araka ny fahamarinako i Jehovah,+Ary mamaly ahy araka ny fahadiovan’ny tanako.+
21 Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+
22 Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra,+Ary tsy mba hiala amin’ny lalàny aho.+
23 Tsy hanan-tsiny eo anatrehany aho,+Sady hitandrin-tena tsy hanao fahadisoana.+
24 Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+Sy araka ny fahadiovan’ny tanako eo imasony!+
25 Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao,+Ary ny olona tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.+
26 Ny olona madio no hisehoanao ho madio,+Ary ny olona fatsora no hisehoanao ho fetsy.+
27 Hovonjenao ny ory,+Ary haetrinao kosa ny maso miandranandrana.+
28 Fa ianao no hampirehitra ny jiroko, Jehovah ô!+Ary ilay Andriamanitro no hanazava ny haizina misy ahy.+
29 Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho,+Ary noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.+
30 Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+
31 Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah?+Ary iza no vatolampy ankoatra an’Andriamanitsika?+
32 Ilay tena Andriamanitra no manome hery ahy,*+Ary hataony lavorary ny lalako.+
33 Ataony toy ny an’ny serfavavy ny tongotro,+Ary eo amin’ny toerana avo be no ampijoroany ahy.+
34 Mampianatra ny tanako hiady izy,+Ary ny sandriko no nampiasaiko hamatorana ny tadin’ny tsipìka varahina.+
35 Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao,+Ary hanohana ahy ny tananao ankavanana.+Ny fanetren-tenanao no hampisandratra ahy.+
36 Hataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko,+Ary tsy hangozohozo mihitsy ny tongotro.+
37 Hanenjika ny fahavaloko aho ka hahatratra azy,Ary tsy hiverina aho mandra-paharingany tanteraka.+
38 Hotorotoroiko ireny mba tsy ho afa-mitsangana intsony.+Ho lavo eo ambany tongotro ireny.+
39 Homenao hery hoenti-miady aho,Ary hataonao lavo eo ambaniko izay mitsangana hanohitra ahy.+
40 Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko,*+Ary hataoko mangina izay mankahala mafy ahy.+
41 Miantso vonjy ireny nefa tsy misy mpamonjy,+Eny, miantso an’i Jehovah ireny nefa tsy valiany.+
42 Hataoko torotoro toy ny vovoka entin’ny rivotra ireny,+Ary hatsipiko toy ny fotaka eny an-dalambe.+
43 Hanafaka ahy amin’ny fanakianan’ny olona ianao.+Hanendry ahy ho filohan’ireo firenena ianao.+Ary vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+
44 Hanaiky ahy izy ireo raha vao mandre fotsiny ny momba ahy,+Hanatona ahy amin-tahotra ny hafa firenena.+
45 Ho lany hery ny hafa firenena,Ary hipararetra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny manda fiarovany.+
46 Velona i Jehovah.+ Hisaorana anie ilay Vatolampiko,+Ary hasandratra anie ilay Andriamanitra mpamonjy ahy!+
47 Ilay tena Andriamanitra no Mpamaly ny ratsy atao amiko,+Ary ataony manaiky ahy ireo firenena mba ho eo ambaniko.+
48 Manafaka ahy tsy ho azon’ny fahavalo tezitra izy.+Hanandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy ianao,+Ary hanafaka ahy amin’ny olona mahery setra.+
49 Koa izany no hiderako anao eo amin’ireo firenena, Jehovah ô,+Sy hanaovako hira fiderana ho an’ny anaranao.+
50 Manao asa famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny izy,+Ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny voahosony,+Dia i Davida sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
^ Na: “elatry ny rivotra.”
^ A.b.t.: “mangeja ny andilako amin’ny hery.”
^ A.b.t.: “Homenao ahy ny hatoky ny fahavaloko.”