Salamo 16:1-11
Miktama nataon’i Davida.
16 Arovy aho Andriamanitra ô, fa ianao no ialofako.+
2 Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Jehovah. Tsy misy tombony ho anao ny hatsaran-toetrako,+
3 Fa misy tombony kosa izany, ho an’ny olona masina etỳ an-tany.Izy ireo, eny, ireo be voninahitra, no tena mahafinaritra ahy.”+
4 Ho be ny fahorian’izay maika hanaraka andriamani-kafa.+Tsy handraraka ny ra ataony fanatitra zava-pisotro+ aho,Ary ny molotro tsy hanonona ny anarany.+
5 I Jehovah no anjara+ nomena ahy ary nofenoiny ny kaopiko.+Hazoninao ho ahy ny anjara lovako.
6 Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana,+Ary tena tiako ny fananako.
7 Hisaorako i Jehovah, izay manome torohevitra ahy.+Mananatra ahy mandritra ny alina ny voako.+
8 Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah.+Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.+
9 Koa faly ny foko, ary ravoravo avokoa izay rehetra misy voninahitra ato anatiko.+Handry feizay koa ny nofoko.+
10 Fa tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana* aho.*+Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.+
11 Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana.+Fifaliana tsy omby tratra no eo anatrehanao,+Ary fahafinaretana no eo ankavananao, mandrakizay.+