Salamo 146:1-10

146  Miderà an’i Jah!+Aoka aho hidera an’i Jehovah!+  2  Hidera an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako.+Hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+  3  Aza matoky ny olona ambony+Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.+  4  Miala ny ainy,+ ary miverina amin’ny tany nakana azy izy,+Ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.+  5  Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho mpanampy azy+ Sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny,+  6  Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany+Sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo,+Dia Ilay mitana ny fahamarinana mandritra ny fotoana tsy voafetra,+  7  Sy manome rariny ny ambakaina,+Ary manome hanina ho an’ny noana.+Manafaka ny voafatotra i Jehovah.+  8  Manokatra ny mason’ny jamba+ i Jehovah.Mampitraka ny mitanondrika i Jehovah.+Tia an’ireo olo-marina i Jehovah.+  9  Miaro ny mpivahiny i Jehovah,+Ary manao izay hahamaivana ny fahorian’ny kamboty ray sy ny mpitondratena.+Fa ny lalan’ny+ ratsy fanahy kosa ataony miolakolaka.+ 10  Ho mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah,+Eny, ny Andriamanitrao ry Ziona ô, hatramin’ny taranaka fara mandimby.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana