Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 142:1-7

Maskila nataon’i Davida tamin’izy tao anaty lava-bato.+ Vavaka. 142  Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hiantso vonjy.+ Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hitalaho famindram-po.+   Teo anatrehany no namborahako ny zavatra mampanahy ahy,+ Ary izy foana no nilazako ny fahoriako.+   Izany no nataoko rehefa rera-tsaina+ aho. Koa ianao no nahafantatra izay nalehako.+ Eo amin’ny lalana izorako+ No anafenan’izy ireo fandrika hahazoana ahy.+   Tazano eo ankavanako ka jereo Fa tsy mba misy olona mankasitraka ahy.+ Tsy misy toerana azoko andosirana intsony.+ Tsy mba misy manontany ny momba ahy.+   Niantso vonjy taminao aho, Jehovah ô!+ Hoy aho: “Ianao no fialofako,+ Sy anjarako+ eo amin’ny tanin’ny velona.”+   Mba henoy re ny fitalahoako e,+ Fa mahatsiaro ho mahantra fadiranovana+ aho! Afaho aho tsy ho azon’ny mpanenjika+ ahy, Fa matanjaka noho izaho ireny.+   Avoahy avy ato amin’ity lakaly figadrana+ ity aho, Mba hiderako ny anaranao.+ Aoka hiangona manodidina ahy ny olo-marina,+ Satria mety ny ataonao amiko.+

Fanamarihana ambany pejy