Salamo 141:1-10
Hiran’i Davida.
141 Jehovah ô, niantso anao aho+Ka mba valio haingana.+Henoy re aho rehefa miantso anao e!+
2 Enga anie ny vavaka ataoko ka ho voaomana tsara toy ny emboka manitra+ eo anatrehanao,+Ary ny fanandratako ny tanako ho toy ny fanatitra varimbazaha fanolotra takariva!+
3 Ambeno ny vavako,+ Jehovah ô!Ary asio mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotro.+
4 Aza avela haniry zava-dratsy ny foko+Sao aho hivarilavo amin’ny fanaovana zavatra tena ratsy+Miaraka amin’ny mpanao ratsy,+Ka hihinana ny sakafo matsirony.+
5 Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany.+Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany+Ka tsy holavin’ny lohako.+Fa hivavaka ho azy mihitsy aza aho raha misy loza manjo azy.+
6 Atsipy avy eo amin’ny harambato ny mpitsara azy.+Fa nandre ny teniko kosa izy ireo, ka mahafinaritra azy izany.+
7 Toy ny poti-kazo miparitaka eo amin’ny tany rehefa misy mamaky sy mikapa kitay,Dia aparitaka eo am-bavan’ny Fasana* koa ny taolanay.+
8 Ianao anefa no andrandrain’ny masoko,+ Jehovah Tompo Fara Tampony+ ô!Ianao no ialofako.+Aza avela ho tapitra ny aiko.+
9 Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika napetrak’izy ireo,+Sy tsy ho azon’ny vela-pandriky ny mpanao ratsy.+
10 Ho latsaka ao amin’ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra,+Fa izaho kosa handalo fotsiny.
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.