Salamo 139:1-24
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
139 Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.+
2 Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana.+Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+
3 Voarefinao ny dia alehako sy ny toerana itsotsorako.+Ary hainao tsara ny lalako rehetra.+
4 Fa mbola tsy manonona teny akory ny lelako,+Dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!+
5 Manao fahirano ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao,Ary apetrakao eo amiko ny tananao.
6 Mampiaiky volana ahy izany fahalalanao izany,+Sady avo loatra ka tsy takatro.+
7 Aiza no hialako amin’ny fanahinao?+Ary aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?+
8 Fa raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao.+Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana* aho, dia any koa ianao.+
9 Ary raha maka ny elatry+ ny maraina aho,Mba honina any amin’ny ranomasina faran’izay lavitra,+
10 Dia mbola mitarika ahy ny tananao+ na any aza,Ary mihazona ahy koa ny tananao ankavanana.+
11 Raha hoy aho: “Handrakotra ahy tampoka tokoa ny haizina!”,+Dia ho lasa hazavana manodidina ahy ny alina.+
12 Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao.+Fa hamirapiratra toy ny antoandro ny alina,+Ka hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+
13 Fa ianao no nahary ny voako.+Notakonanao tao an-kibon’i Neny aho.+
14 Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+Mahatalanjona ny asanao.+Ary tena fantatro tsara izany.+
15 Tsy niafina taminao ny taolako,+Tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina,+Sy notenominao tao amin’ny faritra lalina indrindra+ amin’ny tany.
16 Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.+Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatakoSy ny andro hiforonan’ireny,+Nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.
17 Koa tena sarobidy amiko ny hevitrao!+Andriamanitra ô, tena be dia be tokoa ny isan’ireny!+
18 Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.+Mifoha aho, ary mbola eo aminao ihany.+
19 Haringanao anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô!+Dia hiala amiko tokoa ny olona meloka ho nandatsa-dra.+
20 Milaza izay saim-pantany+ momba anao izy ireny.Manao tsinontsinona ny anaranao+ ireny fahavalonao+ ireny.
21 Jehovah ô, tsy hankahala an’izay mankahala mafy anao ve aho? +Tsy haharikoriko ahy ve izay mikomy aminao?+
22 Halako dia halako tokoa ireny,+Ary lasa tena fahavaloko.+
23 Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.+Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy+ ahy.
24 Ary jereo sao misy lalana mampahory+ ato anatiko,Dia tariho ho amin’ny lalan’ny+ mandrakizay aho.
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.