Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 138:1-8

Nataon’i Davida. 138  Hidera anao amin’ny foko manontolo aho.+ Eo anatrehan’ireo andriamani-kafa no hihirako fiderana ho anao.+   Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina aho,+ Sady hidera ny anaranao,+ Noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana+ sy noho ny fahamarinanao.+ Fa nankalazainao mihoatra noho ny anaranao ny teninao.+   Namaly ahy ianao tamin’ny andro niantsoako anao,+ Ka nomenao fahasahiana aho ary nohatanjahinao.+   Hidera anao daholo ny mpanjakan’ny tany, Jehovah ô,+ Satria ho ren’izy ireo ny teny aloaky ny vavanao.   Hihira momba ny lalan’i Jehovah koa izy ireo,+ Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah.+   Na avo aza i Jehovah, dia mijery ny manetry tena,+ Fa manalavitra ny olona manambony tena kosa izy.+   Hiaro ny aiko ianao raha mandia fahoriana aho.+ Haninjitra ny tananao+ ianao satria tezitra ny fahavaloko, Ka hamonjy ahy ny tananao ankavanana.+   Hotanterahin’i Jehovah daholo izay noeritreretiny hahasoa ahy.+ Mandrakizay ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Jehovah ô!+ Aza afoy ny asan’ny tananao.+

Fanamarihana ambany pejy